<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Nakambanao, ry Tompo o! FFPM710</title>
<lyrics>[V1]
 Nakambanao, ry Tompo ô !
 Adama sy Eva nankatò
 Ny fampakaram-bady,
 Tahio sy vimbinonao
 Ireto anatrehanao
 Manaiky ho mpivady,
 Hahay handray
 Ny anjara izay hihatra
 Izy roa
 Ary hifanisy soa.

[V2]
 Dia nifanaiky izy izao ;
 Ry Tompo ô ! vimbinonao
 Mba ho iray tokoa ;
 Ny fony mba tarihonao
 Hanaraka ny didinao
 Nomenao azy roa ;
 Izao handao
 Ray sy reny, ka ny teny
 Nolazainy
 Enga anie ka tsy hovany.</lyrics>
<hymn_number>710</hymn_number>
<author>Ph. Nicolai</author>
</song>